Ireo fitaovana azo ampiasaina
Maro ny fitaovana azo ampiasaina ahafahana miresaka mivantana ao amin'ny karajia #serasera. Hapetrakay tsikelikely eto izany.
Fitaovana be mpampiasa
Haseho eto tsikelikely ireo fitaovana azonao ampiasaina amin'ny karajia. Amin'izao aloha dia ny mIrc no mora ampiasaina indrindra.
megaIRC
Mora ampiasaina ary azo atao anaty diskety na koa flashdisk USB satria maivana sy tsotra.
Vahao aloha ilay fichier zip dia avy eo sokafy ilay fichier megairc.exe ao anatiny. Tonga dia tafiditra.
mIrc
Rehefa tafasokatra ny mirc dia soraty avy hatrany hoe
/server irc.serasera.org fa tonga dia ho tafiditra avy hatrany ao amin'ny #serasera ianao
Manana fitaovana hafa?
Raha manana fitaovana hafa ianao dia ilazao ny mpitantana. Alefaso email hery@serasera.org ny rohy ahitana ny fitaovana. Dia ny fanazavana fohifohy amin'ny teny malagasy momba ny fidirana sy ny fampiasana ny karajia #serasera ao anatiny.
Hapetrakay eto amin'ny takelaka hoe ianao no nanoro sy mamporisika hampiasa ny fitaovana.